Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toamasina : voasambotry ilay lehilahy mpisoloky momba ny hetra

    Toamasina : voasambotry ilay lehilahy mpisoloky momba ny hetra

    Saron’ny polisy misahana ady heloka momba ny ekonomika tao Ambohijafy Toamasina, afakomaly ny mpisoloky avolenta antsoina hoe Rasolonandrasana Henri…

    Mpisoloky gagilahy momba ny hetra ity lehilahy voarohirohy ity, araka ny fanazavan’ny polisy. Mpivarotra maromaro manerana ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ary tao an-drenivohitr’i Toamasina no efa nitondra faisana tamin’ity lehilahy ity. Niainga avy amin’ny fitarainana nataon’ny mpivarotra iray ao Ambohijafy teo anivon’ny talem-paritry ny hetra no nahafahan’ny polisy nanao ny vela-pandrika ka nahafahana nisambotra ilay mpisoloky. Manana ny paikadiny manokana izy rehefa hanao ny asa ratsiny. Mody mikaomandy zava-pisotro ao amin’ny trano fisotroana izy no sady mitazana izay rehetra manodidina. Rehefa hitany fa tsy misy mahalala azy ny olona ao an-trano, mampiseho karatra amin’ilay mpivarotra izy ary milaza fa mpiasan’ny sampandraharahan’ny hetra ka manara-maso ireny trano fivarotana zava-pisotro tsy ara-dalàna ireny. Mitaky vola mitentina 50 000 Ar ka hatramin’ny 300 000 Ar izy ho takalon’izay ho an’izay tratrany. Voalaza fa tonga tao amin’ny polisy mihitsy ny talem-paritry ny hetra nanamarina fa tsy mpiasa eo anivon’ny sampandraharaha iandraiketany io olona io fa mpisoloky. Nanamafy hatrany ny lehiben’ny polisy ekonomika ao Toamasina, ny kaomisera Fety Gilbert fa mirongatra ny asa fisolokiana avolenta toy izao ka tokony ho mailo hatrany sy hiantso ny tompon’andraikitry ny fitandroana ny filaminana raha misy mampiahiahy. Vola antapitrisany maro no efa lasan’ity mpisoloky ity.

    Sajo sy J.C

    (Sary Sajo)

    Les commentaires sont fermées.