Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    18 taona nanoratana i Riva : tontosa ny « Antaranoana »

    18 taona nanoratana i Riva  : tontosa ny « Antaranoana »

    Antsa tononkalo, famoahana boky, hira teny an-tsehatra… Nanome ny hanitry ny zavakanto tamin’ny alalan’ny hetsika « Antaranoana », ho an’ireo rehetra tonga tetsy amin’ny ivonkolo Cemdlac Analakely i Riva, omaly. Vanim-potoana nanamarihany rahateo ny faha-18 taona nanoratana. Tamin’ny ankapobeny, nizara telo ny fandaharam-potoana. Niantsa tononkalo iray avy ireo fikambanana sakaizan’ny Faribolana Sandratra. Famakiana sombintantara « I Kama kely » ary fiantsana ny tononkalon’i Riva. Tao anatin’ny fizarana voalohany ihany koa no niantsan’ireo mpanoratra tononkalo ho an’Andriamalala Ando Riva.

    Navoaka, nandritra io hetsika omaly io ilay boky « Antaranoana » mirakitra sombintantara mahatratra 11. Boky fahefatra navoakan’i Riva samirery. Nandravaka ny « Antaranoana » tamin’ny hira i Mialy Andrianina sy i Farakely. Fantatra fa azo adika amin’ny hoe : « mandrakizay doria » ny « Antaranoana »

    HaRy Razafindrakoto

     

    Les commentaires sont fermées.