Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambohidratrimo : tsy nisy noraisina ilay sprinter kilan’ny afo

    Ambohidratrimo : tsy nisy noraisina ilay sprinter kilan’ny afo

     Kila hotohoton’ny afo ny fiara taksiborosy sprinter iray teny Ambavarano Ambohidratrimo, ny asabotsy hariva teo. Araka ny fanazavana voaray, vao nosasana ilay fiara tamin’io fotoana nitrangana fahamaizana io. Nohamafisin’ny mpamilin’ilay fiara fa fipoahana herinaratra no nahatonga ny loza ka nitarika ny firehetan’ny fiara. May tsy nisy noraisina intsony ilay fiara na nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo aza ireo zandary teny an-toerana nampian’ny fokonolona. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy nandritra ny firehetan’ity fiara ity. Fantatra fa an’ny vadin’ny kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao Antsiranana ity fiara sprinter nirehitra tampoka ity. Soa ihany fa tsy nitondra mpandeha ity fiara ity fa raha tsy izany zava-doza no mety ho nitranga. Nanao fizahana sy ny fandrindrana ny fifamoivoizana nandritra ity firehetana ity ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohidratrimo. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ity raharaha ity.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.