Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fihaonana amin’ireo komity mpamolavola : nitaky ny tatitra momba ny fampihavanana ny FFKM

    Fihaonana amin’ireo komity mpamolavola  : nitaky ny tatitra momba ny fampihavanana ny FFKM

     Hiverina amin’ny fampihavanana indray. Nihaona tsy azo natrehina teny Vohipiraisana, omaly, ny filoha efatra mirahalahy mitantana ny FFKM sy ireo komitin’ny manampahaizana namolavola ny lalàn’ny fampihavanana. Tsy nisy nipika ny dinika. Na izany aza, voalaza fa anisan’ny nampiantsoan’ny fiangonana azy ireo ny tatitry ny dingana vitan’ireo manampahaizana ireo sy ny fomba hidirana na handraisan’ny FFKM anjara ao anatin’izany. Manana mpikambana eo anivon’ny komity mpamolavola ny lalàn’ny fampihavanana rahateo ny fiangonana efatra ka anton’ny fihaonana, izany. « Efa nialoha lalana ny FFKM tamin’ny fampihavanana ary efa nahavita dingana. Anisan’ny nakanay antontan-kevitra  momba izany  izy ireo. Nanaovanay tatitra koa ny lalàna efa nolanian’ny Antenimiera ary nampahafantarina azy ireo », hoy ny avy amin’ny komity, Rasolo André, namintina ny dinika. Nambarany fa miandry ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena sy ny hankatoavany izany lalàna izany ary ny hanatanterahana ny voalaza sisa. Na izany aza, nambaran’ny fiangonana fa manana traikefa momba izany izy ireo.

    Araka izany, andrasana ny ho tohin’ny dingana ataon’ny FFKM manoloana izao efa fandraisan’ny fitondrana an-tanana ny fampihavanana izao. Nahitana an’i Maka Alphonse, Imbiky Anaclet ary Rasolo André ireo komity.

    Synèse R.  

     

    Les commentaires sont fermées.