Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hanome traikefa ny tafika malagasy ny Tiorka

    Hanome traikefa ny tafika malagasy ny Tiorka

    Anisan’ny nivoitra tamin’ny fihaonan’ny mpitondra malagasy sy ny filoha Tiorka, i Erdogan teny Iavoloha, omaly ny fiaraha-miasa ara-tafika. “Hanome fiofanana amin’ny Tafika malagasy izy ireo”, hoy ny minisitry ny Fiarovana, ny Jly  Rasolofonirina Beni Xavier. Manana ny fahaiza-manao eo amin’ny lafiny fitaovam-piadiana rahateo ny Tiorka. Na izany aza, tafiditra amin’ny raharaha fanonganam-panjakana na sarintsarina fanonganam-panjakana ny volana jolay 2016 ny maro amin’ireo miaramilan-dry Erdogan ireo. Anarivony ireo nampidirina am-ponja amin’izao fotoana izao.

    Ankoatra izany, maro ireo soniam-piaraha-miasa vita niarahana tamin-dry zareo Tiorka tamin’ny mpitondrantsika. Hifantoka amin’ny fiaraha-miombona antoka eo amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana (3P) ny fifandraisana, samy ahazoan’ny andaniny sy ankilany tombony. Naharitra ora maro ny dinika manokana teo amin’ny filoha Rajaonarimampianina sy ny filoha Erdogan ary tsy nisy nipika. “Nisy ny ezaka amin’ny fametrahana ny fitoniana ary tokony hotohizana izany”, hoy ny vahiny nidoka ny filoha Rajaonarimampianina.

    Tsiahivina fa nanainga, omaly alina ihany ny filoha Tiorka sy ireo delegasiona 400 mahery niara-dia aminy.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.