Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hatsangana ny tranobe : miantso ny zanany hiara-kientana aminy ny FFKM

    Hatsangana ny tranobe  : miantso ny zanany hiara-kientana aminy ny FFKM

     Hanana ny azy manokana amin’izay. Tafapetraka, omaly ny vatofehizoro hananganana ny trano ho an’ny foibe FFKM etsy amin’ny tany menabe Ankorondrano. « Tsy mbola voafaritra ny fotoana hahavitan’ny asa. Na izany aza, efa misy ampaham-bola efa tonga… Misy zanaky ny fiangonana ny mpitondra ka angatahina ny vola avy any am-paosin’izy ireo », hoy ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Razanakolona Odon. Hitehirizana ny tantaran’ny FFKM sy ho toeram-pivoriana ary hipetrahan’ny tonian’ny foibe ity tranobe haorina ity. Nisaorana ireo mpitarika rehetra eo anivon’ny FFKM teo aloha, toy ny Mgr Rabenirina avy amin’ny FLM satria anisan’ny vy nahitana ny tany izy. « Tena sahirana izy ireo nitady toerana », hoy ihany ny filohan’ny FFKM.

    Nambaran’ny Mgr Razanakolona Odon koa fa tsy mbola eny an-tananan’izy ireo ny lalàna momba ny Fampihavanam-pirenena. « Miandry izahay ary aiza ny vokany sy hampiharana izany… Vonona hatrany izahay hiara-kiasa ho amin’ny fampihavanana. Na izany aza, miandry ny momba io lalàna io izy ireo fa hijery ny tokony hatao ka hanohizana sy handraisana ny ho tohin’ny fampihavanana », hoy ny filohan’ny FFKM.

    Marihina fa nialohavan’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin’ny FFKM Antananarivo Renivohitra izany. Anisan’ny niatrika ny lanonana ny filohan’ny Ceni, Rakotomanana Hery sy depiote maromaro.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.