Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zaka tsara : lalaovina amin’ny lalàna…

    Inona ny marina ny amin’ny toeran’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena? Samy manana ny filazany ny mpahay lalàna, mpanao politika… Valalanina sy fanina ny vahoaka.

    Efa mby amin’izay tsy azo ialana intsony ny raharaha, vao lazaina sy hazavaina hoe tsy mbola mivoaka ny didim-panjakana fampiharana ny lalàna mifehy ny fanoherana. Korodosina indray izao…

    Nahoana no tsy nolazaina ny marina izay ela izay? Tsy vonona hampihatra ny lalàna ny mpitondra, raha mbola amin’izay mahametimety azy. Na tsy mahazaka ny fijoroan’ny mpanohitra.

    Tenenina fa tsy ampiharina ny hoe fanjakana tan-dalàna, tsy atao raha tsy voatery. Tsy manao sy mahavita ny asany ny mpanatanteraka. Lalaovina amin’ny lalàna noho ny tombontsoa ny vahoaka.

    Hahagaga raha tsy matoky fanjakana ny vahoaka? Mahazo vahana ny tsy fanarahan-dalàna, fa ny mpitondra aza manao ny ataony… Avy any ambony ny ohatra, raha tiana ho tanteraka izay lazaina ary hahomby izay atao.

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.