Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Asmae-Hardi-Manda : voarakitra boky ireo sekoly manofana arakasa

    Navondrona ao anaty boky iray ireo adiresin’ny sekoly rehetra manofana momba ny asa ao anatin’ny faritra Analamanga. Novolavolaina ity fitaovana ity taorian’ny fangatahan’ny mpikambana ao amin’ny Vovonan’ny fiarahamonim-pirenena miahy ny zaza. “Ilaina hanampiana ny ankizy raisin’ny fikambanana an-tanana hisafidy ny fiofanana mahaliana azy ny boky torolalana”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Association Manda, Andriamandranto Ralison, omaly teny Tsiadana. 40 ny ivontoeram-piofanana eto Antananarivo novelabelarina ao anaty boky ho an’ny ankizy na tanora tsy ao anatin’ny fianarana intsony noho ny antony maro.

    Tohanan’ny Vondrona eoropeanina ny tetikasa fanampiana ny ONG na fikambanana mikarakara ny ankizy voailika amin’ny rafi-panabeazana mahazatra. Niarahan’ny  fikambanana Asmae, Hardi sy Manda novolavolaina ny boky ary nampahafantarina ireo fikambanana maro mandray an-tanana ny ankizy na tanora voailika amin’ny rafi-panabeazana mahazatra. Afaka mivelatra amin’ny asa tanana na sehatra hafa ivelan’ny fianarana any an-dakilasy ny ankizy ka izay no tanjon’ny tetikasa.

    Vonjy A. 

    Les commentaires sont fermées.