Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    FMTS – « Haikabary » : fampiofanana mpampianatra ho mpikabary

    FMTS – « Haikabary »  : fampiofanana mpampianatra ho mpikabary

    Manao dia misonga hatrany ny hetsika karakarain’ny Federasion’ny mpikanto teny sy soratra (FMTS) ho fampivelarana ny kabary. Fantatra izao fa hanatanteraka fampiofanana mpampianatra ho mpikabary, nampitondraina ny anarana « Haikabary » izy ireo ny tontolo andron’ny 3 febroary izao, ao amin’ny ivonkolo Cemdlac Analakely. Maro ireo lohahevitra hampitam-pahalalana amin’izany. Anisan’ireny ny fampahafantarana ny sokajin-taona tokony hianatra kabary. Fandaharam-pianarana tokony hatao isaky ny sokajy (taninketsa, mpiofana, mpandalina). Fampiofanana ny mpampiofana manoloana ny mpianatra. Fandrafetana tetibola sy fitantanana fampianarana. « Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny vakoka ary ny fampiroboroboana ny asa tanana izy ity, noho izany, hisy ny fanolorana « Certificat » ho an’ireo nahavita ny fiofanana », hoy Rabenandrasana Lalao François, filohan’ny FMTS. Nomarihiny fa fikambanana 22 ny mandrafitra ity federasiona ity ka 5 isaky ny fikambanana no asaina hanatrika ny « Haikabary »

    Fantatra tamin’ny tafa nifanaovana taminy fa efa manana toeram-piasana na foiben-toerana ahafahana mifandray sy miserasera amin’ny olon-drehetra ny FMTS. « Efitrano nomen’ny minisiteran’ny Kolontsaina izy io. Varavarana faha-105, etsy amin’ny Immeuble Ex-Somacodis  (biraon’ny Somacodis teo aloha) ampitan’ny « pavillon » Analakely », hoy hatrany i Nandrasana. Nambarany fa misy mpandraharaha hatrany, ao amin’io birao io.

    HaRy Razafindrakoto

     

    Les commentaires sont fermées.