Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fifidianana filohan’ny Malagasy Rugby : raikitra ny fifandrahonana sy ny ramatahora

    Tsy milamina mihitsy hatramin’izao. Na mbola voafidy hitondra ny Malagasy Rugby indray aza, Rakotomalala Marcel, tamin’ny fifidianana natao tany Toliary, omaly, tsy nilamina ny toe-draharaha. Tonga hatramin’ny fandrahonana ireo filohan’ny ligy sasany efa nandeha fiara hihazo an’Antananarivo izany ka nanenjehana azy ireo amin’ny alalan’ny fiara 4×4 sy norahonana amin’ny basy. Efa nialoha lalana ireo delegasiona, nikasa handao an’i Toliary izy ireo. Nisy ny fifampiantsoana taty an-drenivohitra, indrindra ny  teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika mba hiditra an-tsehatra sy hitady vahaolana manoloana izany. Voatery nijanona tsy nandeha indray izy ireo. Voalazan’ny loharanom-baovao fa ao ambadik’izany rehetra izany ny kandidà iray voalaza fa efa tsy nanara-dalàna ka voailika, tsy afaka ny hifaninana ho filohan’ny federasion’ny Malagasy Rugby.

    Tsiahivina fa 13 ireo mpifidy niatrika ny fifidianana. Nahazo ny vato be indrindra, fito ny mpitantana amperinasa, Rakotomalala Marcel. Faharoa nahazo isa efatra i Santoni ary tany amin’ny fahatelo, nahazo vato roa kosa i Feno.

    Ho tonga hatraiza izao korontana sy fifanjevoana eo anivon’ny tontolon’ny lavalava ity izao ? Hiteraka lonilony sy tsy fifankahazoana ny fifidianana.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.