Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Sarimihetsika : hivoaka ny « Adisanina FAN’dio », hitohy ny famokarana

    Sarimihetsika  : hivoaka ny « Adisanina FAN’dio », hitohy ny famokarana

    Vaovao roa no nampitaina, omaly, tetsy amin’ny Cemdlac Analakely. Hivoaka DVD sy VCD manerana ny Nosy, ny 31 janoary izao ny sarimihetsika « Adisanina FAN’dio ». Taona 2017, hamokatra horonantsary efatra, ankoatra ny tantara mitohy mandeha amin’ny televiziona ny Scoop Digital.

    Hiavaka ny « Adisanina FAN’dio » noho izy tantara nosintonina avy amina tranga tena nisy marina niainan’ireo Team Safelika nandritra ny fitetezam-paritra maro nataon’izy ireo. Sokajina ho tantara mampihomehy sy mampitaintaina ity vokatra vaovao ity. Saika tazana ao avokoa ireo andrarezin’ny sarimihetsika eo anivon’ito trano mpamokatra ito. Ankoatra ny maha fialamboly azy, maneho sy mampahafatantra ny hakanton’i Madagasikara ny « Adisanina FAN’dio » toy ny hita any Ampefy, Boeny, Vakinankaratra, Analamanga… Ho an’ireo efa nahita ity tantara ity, anisan’ny nampihetsi-po tokoa ny fanenjehana ireo Team Safelika tao anaty zohy !

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.