Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fifidianana – Basket ball : miaraka amin’ny ekipa vaovao

    Fifidianana – Basket ball  : miaraka amin’ny ekipa vaovao

     Mbola tafaverina amin’ny toerany ireo eo anivon’ny komity mpanatanteraky ny federasion’ny basket ball eto amintsika. Fito izy ireo ka kandidà tokana avokoa. Anisan’izany ny filoha, Ramaroson Jean Michel, ny filoha lefitra, Ravelonarivo Lionel, ny mpitambola Ravoson Emmanuel. Samy mpanolotsaina avokoa, Rabearivelo Justin sy Randriamandimby Jimmy. Olom-baovao eo anivon’ny federasiona ny efatra amin’izany. Eo ny sekretera jeneraly, Ralalaharison Tsiry. Mpanolotsaina avy kosa Rafiringa Eric sy Soloharinivo ONja ary Randria Iharamanantsoa. Mazava ny fanamby sy ny tanjona ho azy ireo. “Handeha mafy izahay ka mila ainga vao. Omena toerana sahaza azy ireo mpitantana teo aloha fa tsy hoe nailika. Mbola any anatin’ny vaomiera ny maro amin’izy ireo”, hoy ny filohan’ny federasiona, Ramaroson Jean Michel, mbola voafidy indray. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fifidianana ka nahazo isam-bato 18 amin’ny 19 ny tenany.

    Anisan’ny federasiona miavaka indrindra

    Ho an’ny fandaharam-potoan’ny federasiona kosa, hanomboka ny volana febroary hatramin’ny novambra ny hetsika rehetra sy ny fifaninanana. Anisan’ny mampiavaka ity federasiona ity amin’ny hafa ny fahavitany hatrany ny fifaninanana amin’ny sokajin-taona rehetra, ho an’ny lahy sy ny vavy. Eo koa ny fitetezam-paritra amin’ny fanatanterahana ireny fifaninanana ireny. “Laharam-pahamehana ny fanavaozana ireo rafitra sy ny kara-pilalaovana. Hohamafisina ny fifaninanana eny anivon’ireo ligim-paritra rehetra”, hoy ihany izy.

    Synèse R.

      (Tahirin-tsary)

    Les commentaires sont fermées.