Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fitaterana : misedra olana ireo kamiao mpitatitra

    Tena efa halohalika ny ranombary. Nivoitra tamin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao nataon’ny fikambanan’ny mpitatitra amin’ny kamiao (ATC) teny Soavinimerina, ny asabotsy teo ny olana atrehin’izy ireo. Nambaran’ireo nandahan-teny fa tokony hirosoana ny fifampidihina amin’ny fanjakana sy ireo tompon’andraikitra rehetra. “Ilaina ny fiaraha-miasa akaiky ahafahana manamora ny fitaterana entana eto amintsika. Tokony hatao ny fifampidinihana hentitra sy manokana manoloana ireo olanay”, hoy izy ireo. Notanisain’ireto avy amin’ny mpitatitra entana ireto ho anisan’izany ny volabe aloa amin’ny fanjakana. “Tena mihoampampana izany isan-taona. Eo ohatra ny patanty, ny filanjana, “ny carte grise…”, hoy ihany izy ireo. Anisan’ny olana lehibe ho azy ireo ny fandajana eny amin’ny tetezana, mametra ny entana entina. “Tsy azo ialana ary tsy maintsy hampiakatra ny saran-dalan’ny fitaterana entana izahay. Raha hampiharina io famerana ny entana taterinay io, hisondrotra avo telo heny ny saran’izany ary hiantraika amin’ny amin’ny vidin’ny entana ilaina andavanandro (PPN) sy eny an-tsena”, hoy ireo mpitatitra entana amin’ny kamiao. Nanterin’izy ireo fa tsy mbola namaly izao fangatahana izao ny eo anivon’ny fanjakana. Niatrika izao lanonana tsotra izao ny avy amin’ny polisim-pirenena.

    Synèse R. 

    Les commentaires sont fermées.