Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fotodrafitrasa : nanome ohatra tsara ho an’ny fanatanjahantena ny Cnaps

    Sambany eo, amin’ny tantara. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly ny « grand tournoi de l’amitie » iarahana amin’ny Cnaps, tanterahina eny Vontovorona. Fotoana koa io nampisehoana sy nampiasana ireo fotodrafitrasa ahitana toerana na kianja ho an’ny fanatanjahantena sy ny fialamboly. « Tsy an’ny Cnaps samirery ity fa ifampizarana. Hitarihana ny hafa ho amin’ny fanorenana fotodrafitrasa tahaka izao, hanehoana firaisankina sy fifankatiavana. Natao ho an’ny taranaka mifandimby sy ho an’ny rehetra. Tena tsy manam-paharoa », hoy ny eo anivon’ny Cnaps, Randrianantenaina Théophile, omaly teny an-toerana. Nisaorana manokana ny tale jeneralin’ny Cnaps, anisan’ny vy nahitana sy angady nanana izao fotodrafitrasa izao sady tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-60 taon’ity tahiry ho an’ny fitsinjovana ara-tsosialy ity. Nambaran’ny solontenan’ny minisiteran’ny Asam-panjakana, i Avimana kosa fa tafiditra ao anatin’ny soatoavina Malagasy amin’ny maha iray anaty fahasamihafana eo anivon’ny fanatanjahantena izany. Nanteriny koa ny tokony hijerena ny tanora satria manana ny hakingana sy ny havitrihana izy ireo. “Fotoana izao hitiliana ireo taninketsa eo amin’ny fanatanjahantena”, hoy izy.

    Ahitana kianja maoderina ho an’ny baolina kitra, baskety, volley ball, tsipy kanetibe, lomano, hazakazaka atletisma izany toerana izany, anaty faritra midadasika sy lehibe tokoa.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.