Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    An-kitsim-po : asa fa tsy ady

    Maromaro ny voambolana fampiasan’ny mpitondra mifanesy tato anatin’izay 50 taona izay. « Hanomboka ny asa », « taon’ny asa izao », « fijerena ifotony ny fampandrosoana », « ady amin’ny fahantrana », sns. Fanao rehefa mikabary  ireny ary tena ara-bakiteny mihitsy ilay hoe « kabary tsara lahatra » ataon’ny mpanao politika « mitondra ». Ny mifanohitra amin’ireo indray no ampiasaina rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony, maka ny toeran’ny « mpanohitra ».

    Raha raisina ny tato anatin’ny roa taona farany, nisongadina ny teny ho “governemanta hiady”, mety manoloana ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana angamba izany, saingy tsy resy ireo roa farany ireo aloha raha ny hita maso sy ny mbola mitohy hatramin’izao. Novaina ho « taon’ny asa » indray ny filamatra amin’ity 2017 ity. Araka ny voalaza etsy ambony, kabary nalahatra ihany ireny, fanao rehefa hiteny imasom-bahoaka, fa tsy araka ny tena iainan’ny besinimaro. Hiakatra ny saran-dalana, midangana ny vidim-bary, tsy voafehy ny fisondrotry ny vidin-tsolika, ….. Sady tsy “asa ireo no tsy ady”.

    Randria

    Les commentaires sont fermées.