Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Basket ball : raikitra ny amboaran’ny filoha

    Hanomboka ny asabotsy 4 febroary izao ny dingan’ny fifanintsanana isam-paritra ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny filoham-pirenena, taranja basket ball. Handray anjara amin’izany ireo ekipa miisa 71 avy amin’ny ligy. Ho an’ny faritra avaratra, hanomboka ny faran’ny herinandro izao izany, ka hotanterahina any Mahajanga. Ahitana ny avy any Boeny, Sava, Diana, Sofia. Hotanterahina herinandro aorian’izany kosa ny any atsimo ary hatao any Toliara. Hifampitana amin’izany ny ligin’Anosy, Atsimo Andrefana, Androy ary Ihorombe.

    Hanomboka ny 18 ny faritra Andrefana, ahitana an’i Menabe sy Vakinankaratra ary Bongolava sy Itasy. Harahin’ny any afovoany atsimo izany, hatao any Fianarantsoa ny lalao rehetra. Hifanandrina ny avy any Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.