Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toamasina II : ankizivavy 12 taona naolana, notetehina ny antsy ny ray aman-dreniny

    Nandriaka ny rà tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andodabe, disitrikan’ i Toamasina faharoa, ny asabotsy 28 janoary lasa teo. Izy mivady novonoina, ny zanany vavikely vao 12 taona naolana…

    Tokony ho tamin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 1 ora sy 30 minitra maraina ny nitrangan’ny habibiana. Jiolahy miisa enina nirongo fiadiana, araka ny loharanom-bavao tany an-toerana, no niditra an-keriny tao an-tokantranona tantsaha iray.

    Rehefa tafiditra ny trano ireto jiolahy ireo, nalain’ireo jiolahy avy hatrany ny findain’ny raim-pianakaviana ka jiolahy ary nofatrany niaraka ireo mpivady ary narahina daraka. Tsy vitan’ izay fa mbola nanaovan’ireo fanolanana tambabe ihany koa ilay ankizivavy vao 12 taona monja zanak’izy mivady.

    Rehefa vita izany filan-dratsin’ ireo jiolany, notetehiny ny antsy izy mivady ary maty tsy tra-drano.

    Ilay ankizivavy kosa tsy novonoin’ireo jiolahy fa navelany tao an-trano. Notsaboina ao amin’ny hopitaly Andodabe izy io. Voalaza fa novonoina teo imasony ny ray aman-dreniny.

    Naka izay tiany nalaina tao an-tokantranon’ireto niharam-boina ny jiolahy.

    Miseholany ny fanafihana

    Raha ny loharanom-baovao hatrany, fantatra fa nisehoana fanafihan-jiolahy matetika, tamin’ iny taon-dasa iny, ity kominina ambanivohitra Andodabe ity ary efa maro ny voasambotra sy efa naiditra am-ponja.

    Voalaza anefa fa tsy vitsy ireo jiolahy mpanafika tany an-toerana teo aloha no efa nivoaka ny fonja nohon’ny fanalefahan-tsazy ny fiandohan’ny taona teo.

    Raha ho an’ i Toamasina manokana, mahatratra 457 ny voafonja hisatraka iny fanalefahan-tsazy iny ary 167 ny efa nivoaka teo no ho eo; raha 290 kosa ireo mbola miandry mameno fe-potoana kely ary fito ny efa tafaverina sahady ao amin’ny fonja naka ny toerany teo ihany. Izany no ilazan’ny loharanom-baovao fa lasa mitondra fikorontanana eo anivon’ny

    fiarahamonina iny fanalefahan-tsazy iny. Na izany aza, efa eo am-pandraisana ny fanaovana fanadihadiana sy fikarohana ny polisin’ny Fip, izay nandefa iraka any an-toerana.

    Sajo sy Yves S.

    Les commentaires sont fermées.