Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Vaky ny Rovan’Ambohijoky : jiolahy iray tratran’ny zandary

     Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Fenoarivo, omaly ilay jiolahy namaky ny rovan’Ambohijoky Atsimondrano, ny alatsinainy teo. Araka fanazavan’ny mpiandry ity toerana ity, ny alatsinainy teo no efa novakin’ny jiolahy ity toerana manan-tantara ity, saingy ny talata teo kosa vao tsikaritry ny mpiambina ny fahavakisan’ny Rova. Toerana misy ny fasan-dRafotsy Rabodo iray amin’ireo vadin’Andrianampoinimerina ity novakin’ny jiolahy ity. Very tamin’izany ny lamba sy ny vakoka izay nipetraka tao amin’ny Rova. Somary nahatsikaiky ihany anefa ny zava-nitranga satria naterin’ilay jiolahy teny amin’ny Rova indray ireo entana nangalariny fa hoe misy angatra manakenda azy rehefa amin’ny alina ary nanery azy mba hamerina ireto entana halatra ireto. Tonga namerina ireo entana halatra nangalariny tao amin’ny Rova, araka izany ilay jiolahy ka noraisim-potsiny teo. Toy ny tsy tompon’ny tenany mihitsy araka izany ity jiolahy ity raha ny fitantaran’ireo olona nahita azy namerina ireo entana ireo. Mitohy ny famotorana azy eny amin’ny zandary.

    J.C  

    Les commentaires sont fermées.