Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zandary : hahodina akora ireo taratasy tsy ilaina

    Manoloana ny fiarovana ny tontolo iainana, tonga nanao fanentanana momba ny fanangonana ireo taratasy tsy miasa intsony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny orinasa tsy miankina iray, omaly. Nohamafisin’ity orinasa tsy miankina ity fa ho fanalalahana ny toeram-piasana sy fanamaivanana ireo antontan-taratasy tsy ilaina intsony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena no antony anaovan’izy ireo ny fanangonana. Hahodina ho akora azo ampiasaina indray ireo antontan-taratasy tsy ilain’ny zandary ireo. Ity orinasa ity, araka izany no hanangona azy ary hisy koa fanodinana azy havadika akora ho azo ampiasaina indray. Ho fitandremana ireo taratasy saro-pady izay angonina, hisy sivana ataon’ny orinasa mandritra ny fotoana hakana izany mba tsy hisy hanopy maso. Fantatra fa isan’ireo sarotiny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.