Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fitantanana volam-panjakana : 0 % ny fandraisana anjaran’ny vahoaka amin’ny fanaraha-maso

    Fitantanana volam-panjakana : 0 % ny fandraisana anjaran’ny vahoaka amin’ny fanaraha-maso

    Nampahalalan’ny ONG Msis Tatao, omaly, ny vokatry ny fanadihadiana nataony momba ny fitantanana mangarahara ara-bola ataon’ireo orisam-panjakana, kaominina, fitondrana foibe. Fanadihadiana natomboka ny taona 2015, nandrefesana ny vitan’ireo nanaovana fanadihadiana ireo. Nitondra ny tatitra avy amin’ny Msis Tatao (Tohana sy ainga ho an’ny tambazotran’ny olompirenena), ny tale mpanatanteraka, Andriamoraniaina Harijaona.

    Tsy ny rehetra akory no vita fanadihadiana fa nisy singa nifantenana ireo izay tokony natao, ka kaominina 21 ihany aloha no vita, orinasam-panjakana 20 ary ny teo anivon’ny fitondrana foibe. Mbola mila ezaka goavana eto Madagasikara amin’izay fitantanana mangarahara izany. Tanjona ny hisian’ny mangarahara marina eo amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka. Miara-miasa amin’ny Msis Tatao, ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola, tetikasa tohanan’ny Vondrona eoropeanina.

    Ny tena olana misongadina, tsy hita ny fandraisana anjaran’ny vahoaka amin’ny fanaraha-maso, 0 %. Mbola tsy azo lazaina fandraisana anjaran’ny vahoaka ny fahazoan’ny mpanao gazety sy olon-tsotra manatrika fivoriana momba ny tetibola eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Tsy manana fahafahana miditra ho isan’ny mpanamarina ny kaontim-bolam-panjakana ny vahoaka (audit), 0 %, raha ny tatitra nataon’ny Msis Tatao.

    Raha ny hita amin’ny fitondrana foibe, 14,38 % ny isa azony ny taona 2014, tafakatra 42,05 % izany ny taona 2016. Ireo orinasam-panjakana indray, 56,49 % ny ambony indrindra, an’ny Cnaps, taona 2016. Tamin’ireo kaominina 21 nanaovana ity asa ity, voalohany Mahajanga, 76,71%, manaraka azy, Fianarantsoa, 62,10 %. Manambara ireo tarehimarika ireo fa tsy misy na tsy ampy izany ny fitantanana mangarahara ny volam-bahoaka.

    Nentina nikajiana ny toeran’ireo nanaovana fanadihadiana ireo, ny tatitra ara-bola mandavantaona, eo anelanelan’ny taona, amin’ny fiafaran’ny taom-piasana. Ny tena ahitana izany koa ny fanamarinana ny fitantanam-bola (audit). Samy manana ny tetibolany daholo manomboka any amin’ny fokontany, kaominina, distrika, fitondrana foibe (andrimpanjakana, minisitera), orinasam-panjakana.

    R.Mathieu

                  Mari-drefy sokajiana ny mangarahara – Encadré (6 cm)

    • Latsaky ny 20 % , tsy misy na tsy ampy ny vaovao voaray
    • 20 % – 40 % , zara raha misy fantatra
    • 40 % – 60 % , misy kely ny azo zaraina
    • 60 % – 80 %, azo lazaina fa betsaka ny vaovao azo
    • Maherin’ny 80 %, feno ny vaovao, misy ny mangarahara

    Les commentaires sont fermées.