Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    IFM – « Varavarana » : seho « cirque » miavaka

    IFM – « Varavarana »  : seho « cirque » miavaka

    Seho matotra, miavaka ary manan-karem-pamoronana. Izay no azo ilazana ny hitranga rahampitso tolakandro, etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely. Fampisehoana « cirque » izy ity ary iarahana amin-dRazafindrakoto Tantelinirina sy Rakotondrazafy Alison.

    Samy mpanakanto ao amin’ny kaompania mpanao « cirque », L’Aléa des possibles izy ireo, saingy ny iray, tia mandihy ary tena milona ao anatin’ny tontolon’ny hip-hop. Ny iray kosa, mpankafy sady mpikirakira irony kisarisary amin’ny « vidéo » irony. Tao anatin’ny tetikasa antsoina hoe « Varavarana », niezaka nampifandray ireo tontolo roa samihafa ireo ary nanafangaro izany ao anatin’ny « cirque » izy ireo.

    Araka izany, nanaraka fiofanana, tao amin’ny sekoly fianarana « cirque », Chapitô Metisy, izy ireo. Narahim-pamokarana, izay niainga avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo sy tsapany eo amin’ny fiainana andavanandro sy ny toe-tsain’ny olona ankehitriny, reraky ny krizy, izany. Tsara ny manamarika fa haharitra 30 mn ny fampisehoana.

    Landy R.

     (Sary : IFM)

    Les commentaires sont fermées.