Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Noraisim-potsiny tany Toamasina . ramatoa nisoloky ho manamboninahitra polisy

    Noraisim-potsiny tany Toamasina  . ramatoa nisoloky ho manamboninahitra polisy

    I Angela, 34 taona ny anaran’ity renim-pianakaviana nitonona tao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Toamasina fa hoe manamboninahitra polisy sady miasa eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Tonga hikarakara famoahana fiarakodia ao amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina ny anton-diany voalohany ary ny faharoa hametraka fitoriana eo anivon’ny zandary fa misy polisy mampiasa taratasy hosoka famoahana fiara ka mila samborina. Nampiseho karatra maha polisy izy ka nihevitra ny zandary fa tena mitombina tokoa ny maha manamboninahitra polisy ity renim-pianakaviana ity. Natao ny famotorana ny mpitory nihenoana ny fitarainany.

    Taorian’ny fihainoana ity renim-pianakaviana ity teo anivon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Toamasina nihevitra ny hiroso amin’ny fisamborana ilay polisy izy ireo. Saika hitarika savorovoro tao amin’ny  tobin’ny polisy ao Bazarikely izany. Samy nanao jery atrika avokoa ireo polisy nahita azy satria nihevitra fa lehiben’izy ireo tokoa ity renim-pianakaviana nitondra zandary tao amin’ny tobin’ny polisy ity. Manoloana izany, nanokatra fanadihadiana lalina ny lehiben’ny kaomisarian’ny polisy, ny Kaomisera, Razafindahy Manitra. Vokany, hita fa mpisoloky ilay renim-pianakavina ary noraisin’ny polisy indray ny famotorana azy ka natolotra ny fampanoavana naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjan’ Ambalatavoahangy miandry ny fotoam-pitsarana  azy.

    Sajo

     (Sary Sajo)

    Les commentaires sont fermées.