Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Tapaka ny tongotr’ilay tovolahy nandeha moto voafaokan’ny fiara 4×4 teny By-Pass, omaly alina. Araka ny fanazavana voaray, nisy andiana tovolahy nandeha moto nifanenjika teny By-Pass. Voalaza fa isaky ny hariva no mifamotoana eny an-toerana izy ireo. Voafaokan’ny fiara 4×4 ny iray tamin’izy ireo ka tapaka ny tongony. Tsy noraharahan’ilay mpitondra fiara 4×4 kosa anefa fa lasa nirifatra nitsoaka ny mpamily.

    Niharan’ny fanafihan-jiolahy ny toeram-pivarotana iray eny Ambohimangakely, omaly alina. Tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny jiolahy miisa efatra nitondra basy PA. Voalaza fa tao anatin’ny minitra no nanatanterahan’ireo olon-dratsy ity fanafihana ity. Nambanan’ireo jiolahy ny basy ny raim-pianakaviana iray sy ny vadiny ka tsy afa-nihetsika fa nanaiky lembenana izay nataon’ireo olon-dratsy. Lasan’ireo jiolahy ny vola rehetra tao anaty fitoeram-bola. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra.

    Les commentaires sont fermées.