Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambatolampy : olona telo nahatrarana vola sandoka anjatony tapitrisa

    Ambatolampy : olona telo nahatrarana vola sandoka anjatony tapitrisa

    Olona telo voasambotry ny zandary tany Ambatolampy tompon’antoka amin’ny fanaparitahana vola sandoka, ny 31 janoary teo. Tany Antanamalaza ireo telo ireo no voasambotra ary nahatrarana vola sandoka 4.020.000 Ar  tany amin’izy ireo. Tany Ambatolampy tanàna kosa no sarona ny vola sandoka 8.150.000 Ar, saingy tafaporitsaka ny nitondra izany. Araka ny fanazavana avy amin’ny zandary teny Ankadilalana omaly, tamin’ny alalan’ny mpanome vaovao no nahalalana fa misy olona manakalo vola vola sandoka 10.000 Ar amin’ny 5.000 Ar tena izy any an-toerana, ny 15 janoary lasa teo. Rehefa nanao ny fanadihadiana ny zandary, tratra tamin’izany ny olona roa. Taorian’izay no voasambotra ny fahatelo. Araka ny fanazavan’ny zandary, tany Ilaka Centre no nahatrarana vola sandoka mitovy laharana amin’ireo 8.150.000 Ar ireo ny taona 2016. Olona telo tratra tamin’izany ka nanoro fa avy any Ambatolampy ireo vola ireo. Voalaza fa efa fantatra ny fiavian’ireo vola ireo saingy efa tafatsoaka ny tompon’antoka. Natolotra ny fampanoavana omaly, tany Ambatolampy ireo olona telo tratra tany Antanamalaza. Mandeha ny fanadihadiana.

    Yves S.
    (Sary:Fanou)

    Les commentaires sont fermées.