Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fetin’ny mpifankatia : efa tazana eny an-tsena ireo karazana fanomezana

    Na mafy aza ny fiainana, samy manohy ny ketriketrika hitadiavany vola ireo sehatrasa maro. Anisan’izany ireo mpivarotra manaraka ny fitsokan’ny vanin’andro. Ho avy ny 14 febroary, hanamarihana ny fetin’ny mpifankatia. Efa tazana mandravaka ny magazainy hisarihana ny mpanjifa amin’ireo tsena lehibe izany. Efa tazana ihany koa ireo karazana fanomezana hifanoloran’ny mpifankatia manamarika io vanim-potoana io.
    Tsy lany hevitra rahateo ireo mpamorona ireny karazana fanomezana ireny fa mahita zava-baovao hatrany hambaboana ny mpividy. Mahasarika olona ny zava-baovao ary mahasahy mividy ny vokatra ny mpanjifa rehefa hitany fa tsara sy miavaka amin’ny maro izany.
    Manezakezaka ihany koa ireo toeram-pisakafoana manao sakafo manokana ho an’ny mpifankatia. Fanaon’ny olon-droa rahateo ny mivoaka kely miala amin’ny mahazatra rehefa 14 febroary ka mamonjy ireny toeram-pisakafoana lebibe ireny.
    Ankoatra izany ireo mpikarakara fety aman-danonana manao hetsika ho an’ny mpifankatia. Henjana ny fifaninanana eo amin’ireo sehatra rehetra ireo. Izay mahababo ny olona ihany anefa no tena mampidi-bola sy ifarombahana.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.