Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Indray mijery

    Andro maneran-tany iadiana amin’ny homamiadana anio. Tanjon’ny hetsika ny fanentanana ny isam-batan’olona hisoroka ny aretina sy hanao fitiliana mialoha hialana amin’ny fahasarotan’ny fitsaboana. Eto amintsika, mitana ny laharana voalohany amin’ny homamiadana ny mpahazo ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono miseho amin’ny vehivavy.
    Zava-dehibe ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, fanaovana fanatanjahantena tsy tapaka ary ny fanatonana mpitsabo raha vao mahatsapa trangan-javatra hafahafa eo amin’ny vatana.

    Nesorina teo amin’ny toerana ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny tale jeneralin’io minisitera io ihany. Voatendry ho talen’ny firaisankina sy ny fandraisana andraikitra ao anatin’ny minisiteran’ny Mponina i Mara Volamiranty Donna. Voatendry ho sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Rano Andriavelojaona Nirina Luciano. Razanadahy Ferdinand kosa no napetraka ho talen’ny fampiroboroboana ny fahadiovana eo amin’ny minisitera ihany tao anatin’ny filankevitry ny minisitra.

    Les commentaires sont fermées.