Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nampakatra saran-dalana 500 Ar : noraofin’ny CIR ny taratasin’ireo taxi-be tsy manara-penitra

    Nampakatra saran-dalana 500 Ar : noraofin’ny CIR ny taratasin’ireo taxi-be tsy manara-penitra

    Noraisim-potsiny! Nanao bemidina tampoka teny Anosy, omaly nanara-maso ireo taxi-be tsy manara-dalàna nefa nampiakatra saran-dalana ho 500 Ar ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny ATT na Antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-tanety miampy ireo mpitandro filaminana mpanara-maso ireo taxi-be tsy manara-dalàna (CIR). Tratra tamin’izany ny taxi-be 119 nampiakatra ho 500 Ar ny saran-dalana nefa tsy mahafeno ny fepetra amin’ny maha fiara fitateram-bahoaka. Ny fiara maloto, ny seza tapaka sady rovitra. Toy izany ny taxi-be 137 mampitohy an’Analakely sy Andoharanofotsy, ny fitoeran-tsolika bidao plastika. Vokany, nalain’izy ireo avokoa ny taratasin’ireo taxi-be tsy manara-penitra. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny ATT fa tsy tokony hampakatra saran-dalana intsony ny taxi-be rehetra satria efa nomen’ny fanjakana fanampiana. Mbola hitohy izao hetsika fidinana tampoka amin’ny fanaraha-maso ireo taxi-be mbola mampiakatra ny saran-dalana ho 500 Ar izao, raha ny fanazavana hatrany. Tokony hitarina any amin’ireo taxi-be 133 mankeny Itaosy koa ity hetsika ity satria isan’ireo taxi-be anjakan’ny gaboraraka mihitsy ireto taxi-be 133 ireto. Entanina koa ny tompon’andraikitra mba hitohy hatrany ny hetsika toy izao fa tsy ho afo mololo fotsiny satria iankinan’ny aim-bahoaka ireny fitateram-bahoaka ireny. Tsikaritra rahateo fa tsy mifanaraka amin’ny tolotra homena ny mpanjifa ny fisondrotan’ny saran-dalana ho 500 Ar. Aiza ny fanarahana ny voalaza ao amin’ny bokin’andraikitra? Tsy misy fitsinjovana ireo vahoaka sahirana.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.