Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nidoboka am-ponja ilay vehivavy mpisoloky

    Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly ilay vehivavy 54 taona saron’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahavalo eny Analamahitsy. Araka ny fanazavan’ny polisy, voarohirohy ho mpisoloky amin’ny resaka “mercure” izy. Ny alatsinainy teo, nisy olona roa samy hafa tonga nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny polisy eny Analamahitsy nilaza fa misy vehivavy lehibe iray misoloky azy ireo. Fantatra fa entiny misoloky olona ny anarana hoe Ibrahim Mohamed Tsiranana. Nolazain’ireo voasoloky fa tsy misaraka amin’ny valizy roa miloko mainty sy mena ity vehivavy mpisoloky ity. Lazain’ilay mpisoloky fa hoe mercure milanja 24 kg sy vola euro amina miliara no ao anatin’ireo valizy ireo ary tsy avelany hosokafana mihitsy. Nilaza tamin’ireo voasoloky izy fa hoe mitady trano hovidiana ka manomboka amin’ny 600 tapitrisa Ar no ho miakatra no tadiaviny. Nampanantena ireto olona ireto izy fa hividianany trano sy fiara 4×4 V8 raha mahita io trano io. Nohamafisin’ny polisy fa nipetraka tao amin’ny iray amin’ireto olona voasoloky ireto izy mandra-pahitany ilay trano. Nilaza ilay mpisoloky fa misy teratany vahiny iray ananany vola amina miliara, saingy mila vola 6 tapitrisa Ar hakana io volabe io. Nentim-pahatsorana ireo ka nanome ireo vola notadiaviny. Tsy hita intsony anefa izy taorian’izay.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.