Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Solika niakatra : haverina amin’ny vidiny teo aloha

    Nanoloana ny fiakaran’ny vidin-tsolika ka nampikaikaika ny mpanjifa, nifanatona ny governemanta sy ireo fikambanan’ny mpandraharaha ny solika nitady marimaritra iraisana sy hamahana ity olana ity. Nahita fifanarahana ny roa tonta ka fantatra fa averina amin’ny vidiny teo aloha ny solika. Raha ny fanazavana, averina amin’ny vidiny tamin’ny volana janoary lasa teo izany eny amin’ny mpandrinjara. Voalazan’ny minisiteran’ny minisiteran’ny Angovo sy ny solitany fa mbola mitohy ny fifampidinihana mba hahafahana mamaha ity fiakaran’ny vidin-tsolika ity.

    Miandry ny rehetra izany ny amin’ny fidinan’ny vidin-tsolika avy hatrany taorian’ity fihaonan’ny governemanta sy ny mpandraharaha solika ity. Mety hampihena ny fahasahiranan’ny mponina izany, manoloana ny fiakaran’ny saran-dalan’ny taxi-be, ny vidim-bary. Tokony hikaroka vahaolana maharitra kosa anefa ny fanjakana, andanin’izany, fa tsy ho vonjy tavanandro ihany.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.