Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Behoririka : nahazo toerana ireo mpivarotra amoron-dalana

    Tafapetraka amin’ny toerany ireo mpivarotra amoron-dalana teny Behoririka teo aloha rehefa nomen’ny kaominina faritra azo iivarotana.

    Nafindra etsy amin’ny fivarotana mitsofoka eo amin’ny  mpivarotra kidoro « éponge » akaikin’ny EPP ireo mpivarotra amoron-dalana sy eo anoloan’ny EPP Behoririrka. Halalahina kosa ny varavarana miditra. 194 ireo mpivarotra amoron-dalana omena toerana amin’izany.

    Hodiovina sy hamboarin’ny kaominina ny eo ampitan’ny Luxor  mba hitoeran’ireo mpivarotra sakaosy. Noho izany, tsy maintsy manana latabatra 1m x1m ny mpivarotra tsirairay araka ny fifanarahana tamin’ny kaominina.

    Ireo mpivarotra kidoro « eponge » kosa nifindra eo ampitan’ny Toyota Rasseta. Nanambara ny delegen’ny boriborintany fahatelo fa antony nahatonga ny fandaminana ny   fitsijovana ireo mpivarotra amoron-dalana sy ny olona tsirairay.

    Hita fa mampitohana ny fifamoivoizana sy manery ny mpandeha an-tongotra ny fisian’ireo mpivarotra fanaka eo ambanin’ny tetezan’ny Behoririka. Nampilaza ny kaominina ny tokony hialan’izy ireo ankoatra ny tsena isaky ny alarobia ihany. Nomen’ny kaominina hevitra izy ireo mba handeha hanaraka tsena.

    Hiala eo amin’ny toerany tsy ho ela koa ny toby fiantsonana Ambohimangakely. Mbola hisy ny fifampiresahana eo amin’ny kaominina sy ny filohan’ny mpitatitra momba izany.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.