Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fandraisam-pahefan’ny kolonely Ratsimandrava : tsy fanadino ny lasa… hakan’ny ankehitriny lesona

    Fandraisam-pahefan’ny kolonely Ratsimandrava : tsy fanadino ny lasa… hakan’ny ankehitriny lesona

    ” (…) ny kolonely Richard Ratsimandrava, minisitry ny Fiarovam-pirenena, no niantefan’ny safidiko. Koa manomboka anio, eto anatrehanareo, Andriamatoa filohan’ny andrimpanjakana sy Andriamatoa filohan’ny Filankevi-pirenena entim-bahoaka ho amin’ny fampandrosoana, ary eto anatrehan’ny governemanta manontolo, ka manolotra aminy ny fahefana feno eo am-pelatanako mba hitondrany ny tany sy ny fanjakana aho.”

    Io ny ampahan’ny kabarin’ny filoham-panjakana sady lehiben’ny governemanta, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel, tamin’ny fanolorana fahefana feno ho an’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Atitany, ny kolonely Ratsimandrava Richard, teny amin’ny Ampahibe, Toby Ramanantsoa ankehitriny, ny takarivan’ny 5 febroary 1975. 42 taona lasa omaly. Tsaroana hatrany isan-taona… Tantara tsy fanadino. Izay no ampahatsiahivana azy izao.

    Vita tamin’ny “ady gasy“, na fifandaminan’ny samy Malagasy ny raharaha. Mbola tao anatin’ny Tetezamita tanteraka ny fitondran’ny jeneraly Ramanantsoa, saingy nisy io famindram-pahefana io noho ny fahatsapana ny toe-draharaha: sarotra mila afindra tanana. Tsy hita ary tsy tao an-tsaina tamin’izany ny fifikirana amin’ny toerana, na ny fitadiavana izany.

    “Tsy hiamboho adidy aho, mon général”

    “Tsy hiamboho adidy aho, mon général. Satria mitady olona handray andraikitra izao fotoan-tsarotra diavin’ny firenena izao. Ekeko antsakany sy andavany izao fahefana feno atolotrao ahy izao. Koa fisaorana no atolotro anao amin’ireo tsodrano sy firarian-tsoa nataonao ho ahy sy ho an’ny governemanta tarihiko.”

    Io ilay valin-teny malaza nataon’ny kolonely Ratsimandrava tamin’ny nandraisany fahefana, tamin’io andron’ny 5 febroary 1975 io. Fahasahiana sy fahavononana handray andraikitra ao anatin’ny fahatsapana lalina fa fotoan-tsarotra no nodiavin’ny firenena tamin’izany. Anisan’izany, ohatra, ny fanahiana adim-poko, raha ny fijerin’ny mpandinika sasany. Tsy maintsy notandrovina ny firaisam-pirenena.

    Tsy hita soritra firy tamin’izany ny politika politisianina: fitadiavan-toerana, fikendrena tombomtsoa manokana… Aiza ho aiza amin’izany ny mpanao na mpilalao politika ankehitriny?

    R. Nd.

    (Tahirin-tsary) 

    Les commentaires sont fermées.