Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fepetra napetraky ny FAO : nofaritana ny fenitra ho fiarovana ny fambolena

    Fepetra napetraky ny FAO  : nofaritana ny fenitra ho fiarovana ny fambolena

    Ny fanatontoloana sy ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany ankehitriny, lasa miteraka olana goavana  any amin’ny fambolena sy ny vokatry ny fambolena noho ny fiparitahan’ny otrikaretina manimba azy ireny. Noho izany, zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fiarovana ny fambolena, indrindra amin’ny maha Nosy azy, sy ny fananany zavaboahary tokony harovana.

    Fahavoazana ao amina firenena iray sy ny mpamboly ao aminy, miteraka fatiantoka amina miliara dolara maneran-tany, rehefa maro ny voa, indrindra fa aty Afrika. Tamin’ny taona 1986 ny lalàna momba ny fiarovana ny fambolena eto amintsika, izay efa lany andro, araka ny famariparitan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra ny zava-misy, nanomboka ny taona 1995. Ny taona 1997, efa nisy ny fanavaozana ny fifanarahana iraisam-pirenena sy ny fiarovana ny zavaboahary. Tonga amin’ny kihon-dalana vaovao izao i Madagasikara. Nofaritana niaraka amin’ny FAO ny fenitra fiarovana ny fambolena ho tombontsoan’ny mpanjifa. Fepetra manaraka ny lalàna iraisam-pirenena noraisina amin’ny fampiharana ny fanavaozana ny fiarovana ny fambolena, hisian’ny vokatra betsaka, tsara ary maharitra.

    Fampandrosoana maharitra

    Manampy betsaka ny tantsaha eto an-toerana izany, mora ahitana lalam-barotra aty amin’ny faritra manodidina sy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. « Mampiakatra ny fari-piainan’ny mpamboly malagasy sady manatsara ny kalitaon’ny voly, azo antoka fa tsy misy aretina. Fomba iray hoentina miatrika ny fiovan’ny toetr’andro koa izany », hoy ny solontenan’ny FAO eto Madagasikara, Patrice Talla Takoukam. Asa mankany any amin’ny fampandrosoana maharitra, hisian’ny fanavaozana amin’ny sehatry ny fambolena.

    Hatramin’izay, malaza amin’ny fananana vokatra karazany maro i Madagasikara, saingy hatramin’izao, voasokajy anisan’ny “firenena kely fidiram-bola sy matiantoka hatrany amin’ny fambolena”. Mifanohitra tanteraka ny zava-misy, tsy araka ny velaran-tany misy ny vokatra miakatra. Na ny lalàna nolanina ny taona 1986 ho fiarovana ny fambolena aza, tsy hita ny fampiharana azy nandritra ny 30 taona. Natao ny herinandro lasa teo ny tombana amin’izay vokatra mety ho azo eto an-toerana, ny teknika hoentina manatanteraka izany ary ny fampiharana ny lalàna iraisam-pirenena mifanaraka amin’ny eto an-toerana. Manohana izao tetikasa izao ara-bola ny Fonds de Solidarité Africaine, miara-miasa amin’ny FAO.

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.