Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra Afrikanina : horaisin’i Gabon ny Can U17

     Tapaky ny fivorian’ny komity mpanatanteraky ny Kaonfederasion’ny baolina kitra afrikanina (Caf) fa hotanterahina any Gabon ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny latsaky ny 17 taona (Can U17). Tsy hatao ny volana avrily izao anefa izany fa nahemotra ho amin’ny 21 mey hatramin’ny 4 jona ho avy izao.

    Ankoatra izany, nivoitra tamin’ny fivoriana koa fa hisolo an-dry zareo Kongoley amin’ity « Can U17 » ity ry zareo Tanzanianina amin’izao dingan’ny famaranana ho an’ireo tanora izao.

    Tsiahivina fa tokony horaisintsika izany lalao izany, saingy votsotra taorian’ny tatitry ny iraky ny Caf teto amintsika. Voalaza fa tsy feno ny fepetra amin’ny handraisantsika izany eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa, indrindra fa ny kianja, ka tsy nahazoantsika ny « CanU17 » indray. Midika izany fa sady tsy afa-mandray ny lalao isika. Fa etsy andaniny, tsy afaka handray anjara koa ny mpilalaontsika eo anivon’ny Barea Akademia efa nanomana fatratra izany na nafindra any Gabon indray aza ny lalao.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.