Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – Kianjan’ny Cnaps Vontovorona : lasan’ny Elgeco Plus ny amboaran’ny « Grand tournoi de l’amitie »

    Kitra – Kianjan’ny Cnaps Vontovorona  : lasan’ny Elgeco Plus ny amboaran’ny « Grand tournoi de l’amitie »

      Resy nanoloana ny tompon’amboaran’i Madagasikara, Elgeco Plus, ny tompondaka, Cnaps Sport. Nody any amin’izy ireo ny amboara. Na izany aza, nahery vaika ny lalao ary tsy nifampitsitsy ny roa tonta… Ekipa samy hiatrika lalao afrikanina amin’ny herinandro ambony.

     

    Noresen’ny Elgeco Plus 2 no ho 1 teo an-jaridainany ny Cnaps Sport, omaly, tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny « Grand tournoi de l’amitie » taranja baolina  kitra, teny Vontovorona. Nitarika ny isa ny tompondakan’i Madagasikara raha nanenjika izany kosa ny tompon’amboara ary niafara amin’izao fandresen’ny Elgeco Plus izao ny lalao. Baolina tafiditra teo amin’ny fizaram-potoana voalohany avokoa ireo. Na izany aza,  nahery vaika ny lalao ary nisehoana fifandonana mafimafy ihany teny ambony kianja. Vokany, nahazo karatra mena ary nivoaka ny kianja ny mpilalaon’ny Cnaps Sport mirahalahy, i Njiva sy i Lanto. Nilalao sivy izy ireo avy eo, saingy tsy niova intsony ny isa teny amin’ny tabilao.

    Ho an’ny vokatra hafa, resin’ny Jet Mada 1 no ho 0 ny Zanakala FC.

    Araka izany, lasan’ny Elgeco Plus ny amboara tamin’ity fifaninanana nokarakarain’ny Cnaps ity. Nahazo isa fito izy ireo raha faharoa kosa ny tompon’ny kianja, manana isa enina. Nahazo ny laharana fahatelo ny Jet Mada ary laharana farany kosa ny Zanakala FC. Samy notolorana amboara sy vatsin-dalana avokoa ireo mpandray anjara.

    Hatao etsy Mahamasina ny lalaon’ny Elgeco Plus

    Tsiahivina fa handray ny lalao mandroso eto amintsika avokoa ireto ekipa roa solontenantsika eo amin’ny sehatra afrikanina ireto. Ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hihaona amin’ny tompondakan’i Botsoana eny Vontovorona ny Cnaps Sprort ny asabotsy izao. Handray ny Supersport United avy atsy Afrika Atsimo kosa ny Elgeco Plus etsy amin’ ny kianjaben’i Mahamasina. Lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf.

    Synèse R. 

      (Sary Mamiherison)

     

    Les commentaires sont fermées.