Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nitsidika ny tany Miandrivazo Ravalo

    Nitsidika ny tany Miandrivazo Ravalo

     Mitohy indray ny fitetezam-paritra. Nihazo an’i Miandrivazo ary nihaona tamin’ny vahoaka any an-toerana ny filoha teo aloha, Ravalomanana, omaly. Nitafa mivantana nihaino ny hetahetan’ny mponina ny tenany, notronin’ny depiote Randrianarisoa Guy Rivo. Nitohy amin’ny fihaonany tamin’ireo mpikatroka Tim eny ifotony izany. Nomena toromarika sy ny fanentanana ary koa ny hamelomana indray ity antoko ity ny mpanorina. Teny an-dalana mihazo ny lalam-pirenena fahafito kosa, nifampiresaka mivantana amin’ny mponina koa ny tenany, toy ny tao Ilempona ary nihaino ny olana sedrain’izy ireo. Nialohavan’ny fotoam-pivavahana tao Antsirabe izao fitsidihana ny any amin’ny faritra izao.

    Tsiahivina fa vao tonga avy any Etazonia ny filoha teo aloha, Ravalomanana izao nandeha nitsidi-paritra izao.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.