Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Noraisin’ny mpanjaka ny Vovonana mampiray

    Noraisin’ny mpanjaka ny Vovonana mampiray

    Nidina ifotony niarahaba nahatratra ny taona vaovao ny mpanjaka Ndrenogny  Ramahasitrakarivo Martin Gérard mivady tao amin’ny tranobe Ivato Vohipeno, ny delegasiona avy amin’ny Vovonana mampiray notarihin’ny filohany, Ramaroson Arlette, ny herinandro teo. Nohazavainy tamin’izany ny momba ny dingana natao ho fitakiana ny Nosy malagasy. Eo koa ny fanorenana sy ny fanarenana ny firenena ary nangataka ny fiaraha-miasa amin’ny raiaman-dreny ara-drazana amin’ny fanomanana ny loabary an-dasy ho fanarenana an’i Madagasikara ny filohan’ny Vovonana mampiray sady filohan’ny ANM.

    Naneho fahavononana hifanampy amin’izany ny mpanjaka sy ireo tandapa. « Sambany teo amin’ny tantara no nisy olom-pirenena tonga nanetry tena toy izao teto ary mibanjina ny tombontsoa ambon’ny firenena », hoy ny ampanjaka.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.