Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsipy kanetibe : lasan’ny Cnaps ny amboara

    Tsipy kanetibe  : lasan’ny Cnaps ny amboara

     Anisan’ny nahazoan’ny Cnaps amboara ny teo amin’ny tsipy kanetibe ho an’ny olon-telo miaraka, tamin’ny « Grand tournoi de l’amitie », natao teny Vontovorona, omaly. Resin’izy telo mirahavavy, i Harindranto sy i Dinasoa ary i Rija, tamin’ny isa 13 no ho 11, ny mpifaninana tamin’izy ireo. « Mafimafy ihany ny mpifanandrina satria efa manana traikefa sy efa zokiny, saingy resinay ihany », hoy izy ireo. Nihaona amin’izy ireo teo amin’ny famaranana ny avy amin’ny CBAC, ahitana an-dry « Tantine Jeannine ». Nodinganin’izy ireo hatrany am-piandohan’ny fifaninanana kosa ny avy amin’ny Telma.

    Teo amin’ny lehilahy olon-telo miaraka, lasan’ny Mama ny amboara. Resin’izy ireo ny Cnaps.

    Synèse R.

      (Sary Fano)

    Les commentaires sont fermées.