Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambohiboahangy : misedra olana ireo mpamaky vato

    Ambohiboahangy  : misedra olana ireo mpamaky vato

    Mitaraina ireo mponina mivelona amin’ny famakiana vato ao amin’ny karieran’Ambohiboahangy, kaominina Ambatomirahavavy, noho ny fikasan’ny mpitrandraka vaventy hanala azy ireo amin’izany toerana izany. Nilaza ho efa manana fahazoan-dalana avy amin’ny fokontany sy ny kaominina izy ireo raha efa ampolo-taony kosa ireo mponina nikapo-bato teo.  Efa nisy ny fifanarahana momba ny tamberimbidy sy ny fijerena ny sosialin’ny mponina, saingy tsy narahin’ity orinasa ity izany. Eo ny fampidirana jiro nefa tsy tanteraka na efa nandoa ny  30 tapitrisa Ar sy ny 10 tapitrisa Ar  aza ny kaominina sy ny mponina. Efa natao koa ny fifampidinihana teo amin’ny orinasa sy ny kaominina, saingy nandamoka.

    Nilaza ireo mponina fa mitaky ny hanesorana io orinasa io eo amin’ny kariera. Nijery ifotony izany ny depiote Rakotomanjato Rodin, ny herinandro teo, ary nanome toromarika ahafahan’ny mpitrandraka madinika manohy ny asany. Nanolotra vola 1 tapitrisa Ar ho an’ny fokontany koa ny tenany ho amin’ny fampidirana ny jiro.

    Synèse R.  

     

    Les commentaires sont fermées.