Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    An-kitsim-po : Malagasy ihany no mamono Malagasy

    Maina ny tany, tsy ho ampy ny vokatra amin’ity taona ity, indrindra ny vary foto-tsakafon’ny Malagasy. Vao manomboka izao ny taona, efa iaraha-mahita io ny vidim-bary, mananika ny 2.000 Ar ny kilao. Ny hita mazava, ny Malagasy samy Malagasy no mifamono an-toerana eto, tafahoatra daholo ny fitiavan-tena. Ny mpanangom-bokatra manararaotra ny fahasahiranan’ny tantsaha, mbola maitso eny an-tanimbary ny vary efa voavidy sahady. Tsy zava-baovao izany, efa fanaon’ny mpanjana-bola, ny ankilany moa tsy manan-tsafidy, indrindra rehefa tojon’ny fahaporetana any ambanivohitra any.

    Ny asan-dahalo, Malagasy ihany no mamono Malagasy mitovy aminy. Miainga avy any ny omby halatra, vidin’ny mpanam-bola tonga eny amin’ny tsena, mizaka ny vidiny tafahoatra ny mpanjifa tsotra. Ireo mpandraharaha mpanafatra entana ilain’ny mpanjifa andavanandro, tsy vitan’ny entana efa ratsy sy lany andro ny ampidirin’ny sasany fa mbola tafahoatra ihany koa ny vidiny. Ny saram-pitaterana ihany ny hita somary voafehy. Tsy misy azon’ny mpanjifa na ny vahoaka atao amin’ny fiakaran’ny vidin-javatra hafa.

    M.C

    Les commentaires sont fermées.