Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Basket : miofana ireo mpanazatra eny Ambohidratrimo

    Nanomboka, ny asabotsy 4 febroary 2017 lasa teo ary hitohy hatramin’ny 25 marsa 2017 ho avy izao ny fampiofanana ireo ho mpanazatra ny taranja basket ao amin’ny seksiona Ambohidratrimo. Miisa 20 mianadahy ireo mpiofana etsy amin’ny CEG Antehiroka ary ahitana ireo avy eo avy amin’ny seksiona hafa koa. Mizara roa ny atrikasa ka ny maraina eny ambony latabatra fa fampiharana kosa ny hariva. Mitarika izao fampiofanana izao ny “Instructeur” avy amin’ny Fiba Afrika, Razafiarivony Angelot Solofohery, sady mpikambana ao amin’ny Federasiona malagasin’ny basket ball (FMBB). Nahatsapa ny mpitantana ao amin’ny seksiona fa ilaina ny mampitombo isa ireo klioba miorina ao aminy ka tsy maintsy ampitomboina ny isan’ny mpanazatra. Enina ihany koa ireo klioba miorina ara-dalàna ao an-toerana ka roa ihany manana sokajy N1B (Ankarana, BCTA), avy eny Ivato sy Ambohidtarimo. Manoloana izany, hikarakara ny “Le petit grand au basket” ho fanentanana sy fampirisihana ny tanora sy ireo te hanorina klioba ny seksiona. Hotanterahina eny Mahitsy  ny zoma 17 febroary, izany. Handray anjara amin’izany ny sokajy U14, U16, U18, U20 ary natao hifanandrify amin’ny “Andron’ny sekoly” ihany koa.

    Hampiantrano lalao lehibe Ambohidratrimo

    Etsy andaniny, mametraka vina ny filohan’ny seksiona Ambohidratrimo,  Rajoelimanantsoa Fidy. “Tokony hanana klioba mihoatra ny folo izahay ao anatin’ny roa taona ho avy ary hanana klioba N1A ihany koa. Ampy ny fotodrafitrasa ato aminay ka rariny raha mivoatra ny taranja basket eto aminay”,  hoy izy. Marihina fa iray ihany ny mpitsara lalao eny amin’izy ireo. Tanjon’izy ireo ny hampitomboana ny isan’ny mpitsara lalao eny an-toerana ka hiroso amin’ny fanofanana ireo mpitsara lalao ihany koa ny seksiona. “Ampirisihinay ny klioba hampitombo isa ireo mpilalao manana “licence”ao aminy.  Hangataka ny fampiantranoana ireo lalao goavana toy ny an’ny ligy na federasiona izahay rehefa tontosa ireo rehetra ireo”,  hoy ihany izy.

    Synèse R.

     

    Les commentaires sont fermées.