Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Boxe Olympique : hanomboka ny fifaninanana

    Boxe Olympique : hanomboka ny fifaninanana

    Nampahafantarina, tamin’ny fomba ofisialy ny asabotsy laa teo, tetsy Mahamasina, ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny federasiona malagasin’ny ady totohondry (boxe olympique). Filoha, Rabarisoa Hery Mamy ary filoha lefitra Andriamanampisoa Gégé Bernard miaraka amin-dRavohitra, hisahana ny toeran’ny sekretera jeneraly.

    Araka ny nambaran’i Gégé Bernard, hisantatra ny taom-pilalaovana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, hatao any Fianarantsoa ny 16 ka hatramin’ny 20 aprily ho avy izao. Entaniny ireo ligim-paritra tsy mbola nahatontosa ny fifaninanany mba hanao izany.

    Ankoatra izany, hisy ny fampivondronana ireo mpikatroka mendrika hiomanana amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena. Eo koa ny fanomezana fiofanana ireo mpitsara sy mpanazatra. Tanjona ny hamerenana ny lazan’ny ady totohondry eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manao antso avo amin’ny fitondrana ny federasiona mba hijery sy hanohana ity ady totohondry ity. Nanome toky ny filoha Hery Mamy fa raha misy tosika avy amin’ny fanjakana, azo antoka ny hahatafitana mpikatroka 3 na 4 any amin’ny lalao Olympika, hatao any Japon ny taona 2020.

    Na izany aza, nilaza ny federasiona fa tsy mbola voaloan’ny minisitera ny latsa-kemboka iraisam-pirenena, nanomboka tamin’ny taona 2015 sy 2016.

    Synèse

    Les commentaires sont fermées.