Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra afrikanina : tsy naka mpilalao hafa hanampy azy ny Elgeco Plus

    Kitra afrikanina  : tsy naka mpilalao hafa hanampy azy ny Elgeco Plus

    Tsy nanao toy ny teo aloha na ny nataon’ny ekipa hafa. Hiatrika ny lalao dingana savaranonando, amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf, ny Elgeco Plus. Nanaitra ny mpitia baolina kitra ihany anefa ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana.

     

    Efa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf izahay tamin’ny taom-pilalaovana 2014 sy ny 2015. Naka mpilalao vaovao hatrany izahay tamin’izany, saingy niteraka olana sy disadisa teo amin’ny samy mpilalao izany ary tsy nampilamina ny ekipa mihitsy. Mety ho antony naharesy anay avy hatrany teo amin’ny lalao savaranonando izany. Antony nandraisana fanapahan-kevitra ny tsy haka mpilalao hafa izany”, hoy ny mpitantana ny Elgeco Plus, afakomaly tetsy Andrefan’Ambohijanahary.

    Tsiahivina fa hifandona amin’ny tompon’amboaran’i Afrika Atsimo, ny Supersport United ny Elgeco Plus ny alahady izao, etsy Mahamasina. Lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf. Naneho fahavononana amin’io fihaonana io ny solontenantsika. Efa nialohavan’ny fanoman-tena tamin’ny “Grand tournoi de l’amitié” natao teny Vontovorona ny herinandro teo izany, ka nibatan’izy ireo ny amboara.

    Hitsapa ny kianjaben’i Mahamasina

     Na izany aza, henjakenjana ny lalao famaranana nifandonan’ny Elgeco Plus sy ny Cnaps Sport ny alahady teo teny an-toerana. “Tsy nisy naratra ary salama tsara daholo izy ireo. Vonona 100% tanteraka. Manao fanazaran-tena eny Bevalala ny mpilalao izao ary hitsapa ny kianjaben’i Mahamasina ny alakamisy izao. Tokony hizatra sy hitsapa ny bozaka eo izy ireo satria efa zatra nilalao amin’ny kianja tsy bozaka voajanahary”, hoy ihany ny mpitantana.

    Synèse R.

     

    Les commentaires sont fermées.