Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Andro ratsy hafa : hahazo orambe Analamanga

    Nilaza ny teknisianina eny Ampandrianomby fa hirotsaka be ny orana, rahampitso aty afovoan-tany, vokatry ny fidiran’ny talio sy ny fisian’ny faritra andro ratsy ao amin’ny ilany avaratra andrefan’ny Nosy. Nandefa filazana mena momba ny rotsak’orana be ho an’ny faritra Betsiboka, Analamanga, Vakinankaratra ary Amoron’i Mania izy ireo. Ahina ny fiangonan’ny rano amin’ny toerana iva. Mbola hitohy koa ny orambe ho an’ny faritra avaratra iray manontolo ary manan-kery ny fampitandremana, omaly. Ho maina kosa ny toetry ny andro any atsimo.

    Tsy hiditra an-tanety ilay rivodoza Carlos na mihamanatona ny morontsiraka atsimo atsinanana aza, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, eny Ampandrianomby, omaly. Tany amin’ny 482 km atsinanan’i Manakara no nisy ny foibeny, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Mikisaka mianatsimo andrefana izy ary mahafaka 16 km isan’ora. 130 km isan’ora ny tafiotra miaraka aminy. Mahatratra 60 km isan’ora kosa ny herin’ny rivotra entin’ilay rivodoza any an-dranomasina. Hatrany amin’ny 3 metatra ny haavon’ny onja ka miangavy ny mpiandriaka tsy hivoaka eny an-dranomasina intsony ny tomponandrakitra manomboka eo Mananjary ka hatrany Taolagnaro, nanomboka omaly.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.