Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Basket – Amboaran’ny filoha : naroso avokoa ireo daty efa tapaka

    Tsy araka ny efa namaritana azy tany aloha. Novana indray ny daty sasany hantanterahana ny dingan’ny famaranana amin’ny fiadiana ny amboaran’ny filoham-pirenena eo amin’ny taranja Basket ball. Voalaza ho anton’izany ny tsy fahafahana mampiasa ny lapan’ny Fanatanjahantena etsy Mahamasina amin’ireo tetiandro nofaritana tany aloha.  Naroso herinandro mialoha ireo fihaonana ka hotanterahina ny 18 hatramin’ny 26 marsa ny « Play-off » tokony ho natao ny 25 marsa hatramin’ny 2 avrily izao any Fianarantsoa. Ny 1 hatramin’ny 7 avrily kosa ny « Top 8 », tokony notanterahina ny 8 hatramin’ny 14 avrily ary ny 15 avrily ny lalao famaranana lehibe hatao eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena etsy Mahamasina. Andalan’ny fampitana izao fanovana izao ny federasion’ny basket ball sy ny vaomiera mpikarakara ny fifaninanana.

    Araka izany, mety hanova ny fandaharam-potoan’ny any amin’ny ligy sy ny seksiona avokoa izao fanovana tampoka izao.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.