Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    « Fet’Art » VI : enin-taona ny Is’Art Galerie

    Goavana ny dingana vita. Mbola maro ihany koa ny miandry ! Mandia ny faha-6 taony ny Is’Art Galerie eny Ampasanimalo. Hanatanteraka hetsika ho fanamarihana io vanim-potoana io ity Ivontoeran’ny kolontsaina sy ny fifanakalozana ary ny fikarohana ity. Ny asabotsy11 febroary izao manomboka amin’ny 11 ora antoandro, santarina amin’ny « Art visuel » ahitana « studio photo » sy « atelier peinture ». Amin’ny 5 ora tolakandro ny « Art de la scène » hiarahana amin’ny kaompania Rary sy ireo mpanakanto nasaina. Manomboka amin’ny 6 ora hariva, seho sehatra miaraka amin’i Mika sy i Davis.

    … Taona 1996, naorin-dRazafindrakoto Richard sy Rafalimanana tao Ankadifotsy ny Isa Atelier Galerie. Niompana tamin’ny hosodoko sy ny sokitra ny fanofanana ireo tanora teo amin’ny manodidina. Taona 2011, naorin-dRakotoarivony Tahina tetsy Analakely ny Is’Art Galerie. Taona 2014, niova toerana eny Ampasanimalo ity ivontoerana ity ka niampy « La teinturerie » ilay anarana Is’Art Galerie. Lehibe ny toerana ka nahafahan’ny tompon’andraikitra nampivelatra ny asa sahanina, hairahan’ny ankehitriny, fampandrosoana ny « art visuel », fandraisana fihaonana sy fifanakalozana, sns.

    HaRy Razafindrakoto

     

    Les commentaires sont fermées.