Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra Analamanga : hifampitana ny miaramila sy ny kaominina

    Hiaka-tsehatra ny miaramilan’ny Cosfa amin’izao faran’ny herinandro izao ka hifandona amin’ny ekipan’ny kaominina (Uscafoot), eny amin’ny kianjan’i Bevalala. Lalao tafiditra amin’ny andro faharoa eo anivon’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja baolina kitra ny fihaonana hatao ny zoma izao. Ankoatra izany, hifampitana ny polisy (Cospn) sy ny tranom-piantohana (Mama FC). Manampy ireo ny fihaonana eo amin’ny MI20 sy ny AS Adema. Mialoha ireo, hanokatra ny lalao ny fifandonan’ny Tana Formation sy ny FC Tana.

    Etsy andaniny, tokony hifampitana amin’ny Elgeco Plus ny ekipan’i Sab Nam amin’izao faran’ny herinandro izao, saingy nahemotra ho amin’ny fotoana hafa izany noho ny fiatrehan’ny solontenantsika ny lalao afrikanina, hatao etsy Mahamasina ny alahady izao. Fandaharan-dalao eny Bevalala : Amin’ny 9 ora : Tana Formation/ FC Tana ; 11 ora : Cospn/ Mama FC ; 1 ora : AS Adema/ MI20 ary amin’ny 3 ora : Uscafoot/Cosfa.

    Synèse R.

     

    Les commentaires sont fermées.