Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Na sarotra aza ny asa : mitohy ny fanarenana ny tambajotran’ny Telma

    Na sarotra aza ny asa  : mitohy ny fanarenana ny tambajotran’ny Telma

    Eo amin’ny dingana fahafito amin’ireo sivy nofaritana ny Telma amin’ny fanamboarana ny simba amin’ny tariby (câble) mitondra ny tambajotra. Nitsotra, omaly, ny administratera tale jeneraly (ADG)-n’ny Telma, Patrick Pisal-Hamida, fa “tsy mora ny fanamboarana, na izany aza, mitohy ny asa. Tamin’ity dingana fahafito ity, tafakatra tanaty sambo ny tariby simba ary miditra amin’ny fampitambarana azy indray”.

    Tsiahivina fa any amin’ny 36 km miala ny morontsirak’i Toliara ny simba voalohany ary any amin’ny 44 km ny faharoa. Nanano sarotra ny fampiakarana ny tariby simba tao anaty sambo, saingy hita ihany ny vahaolana. Nikisaka nankany amin’ny 27 km miala ny morontsiraka ny sambo ary nahomby ny asa, omaly alarobia maraina. Hita ny zavatra simba ary nosoloina, ka maharitra adiny 18 ny asa.

    Vinavinaina ho vita rahampitso zoma ny asa, ary hiditra amin’ny fanandramana, miainga avy any Afrika Atsimo sy ny toerana misy ny tambajotra Telma vitsivitsy.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.