Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ny aza mba marary ihany…

    Ny aza mba marary ihany…

    Izay nanao fampielezan-kevitra, samy nidradradradra avokoa fa laharam-pahamehana ny fahasalamam-bahoaka. Izay rehetra nandray fahefana kosa, toa nanana laharam-pahamehana hafa, ka nanadinodino izany.
    Ny zava-misy mantsy, tena marary ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka manerana ny Nosy. Tsy hitan’ny salama sy ny manan-katao hoentina eny amin’ny toeram-pitsaboana handoavam-bola  izany. Fangirifiriana kosa ho an’ireo mitsabo ny havany eny amin’ny hopitalim-bahoaka.
    Hopitalim-bahoaka… Aleo hopotsirina ny vay raha tiana ho sitrana. Fara-fanantenana sisa ny an’ny ankamaroan’ny marary manatona eny. Raha araka ny anarany, tokony hahazo ny fitsaboana sahaza azy ny tsirairay. Mbola lavitra aloha raha ny hoe fitsaboana maimaimpoana avokoa, toa ny any amin’ny ankamaroan’ireo firenena any ivelany.
    Toa manatitra fahafatesana any amin’ny hopitalim-bahoaka aza sisa no tranga mateti-piseho. Ny antony? Lafo ny fanafody na tsy misy sarany aza ny fitsaboana. Tsy misy mandeha ho azy raha tsy misy mipitika koa e! Samy mametraka ny lalàny ny isan’ambaratonga, ka sady efa miasa saina mitsabo ny marary no miasa saina amin’izay tokony ho hatao amin’ny mpiasan’ny hopitaly tsirairay ny manan-kavana hotsaboina.
    Tena manapotsitra ny vay ve ireo mpiasa ao amin’ny “banque de sang” raha nandrangaranga fitokonana, sa miady ho an’ny tombontsoany manokana? Tena miady ho an’ny tombontsoan’ny marary sy ny mpanome ra, sa maika amin’ilay vola hiditra ny paosy? Ary sao koa nihinana tsy nizara no tena anenjehana ireo mpitantana?
    Ampahany kely sy bitika amin’ny  aretim-be mikiky miadana ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara io. Iza no hanasitrana azy?

    Zo ny Aina Randriatsiresy

    Les commentaires sont fermées.