Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zaka tsara : tsy fanadi(n)o ny lasa

    Izay mahafantatra ny lasa na ny tantara, mahalala sy mahay izay mahatonga ny ankehitriny. Tena fantatra ve, ohatra, ny tantaram-pirenena nifandimby? Anisan’ny fototra sy antony  mahatonga ny ankehitriny izay: ny fahasahiranam-bahoaka, ny fiombonambe iraisam-pirenena tsy mahafa-bela…

    Izay mahay sy mahalala ny anton-javatra anke

    hitriny, mahatsinjo ny hoavy. Mba tsy hiverina na hiverenana intsony, ohatra, ny fahadisoana teo aloha. Izay tsy fahalalana na tsy firaharahana ny lasa izay no anisan’ny mahatonga ny mpitondra mamerina ny hadalana sy fahadisoan’ny teo aloha?

    Fakana lesona ny lesoka teo aloha, tsy fanadino na fanadio ihany koa. Tantara ny tantara: tsy misy tokony hohadinoina, tsy mila amboaboarina amin’izay mahamety ny tena na diovina hanamarinana an’itsy na iroa… Tena sahy miatrika ny tantara ve ny taranaka ankehitriny? Na vahoaka, na mpitondra…

    R. Nd.

     

    Les commentaires sont fermées.