Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    «Fetin’ny mpifankatia» : hitondra any amin’ny «lanitra faha-7» i Ny Eja

    «Fetin’ny mpifankatia» : hitondra any amin’ny «lanitra faha-7» i Ny Eja

    Antsa tononkalo, hira, sakafo… Samy haneho ny « Fetin’ny mpifankatia » !  Hetsika tsy fahita firy hoentina hanamarihana ny 14 febroary iarahana amin’i Ny Eja ao amin’ny Hotel Grand Urbain Ambatonakanga. Raha ny nambaran’ity mpanoratra manana ny maha izy azy ity, anisan’ny fandaharam-potoana amin’io ny fisian’ny antsa tononkalo hitondrana amin’ny nofim-pitiavana any amin’ny lanitra faha-7. Hira milantolanto mamohafoha ilay fotoana nampiarahana fahiny sy ankehitriny ary sakafo hoenti-mampiombona sy mampifamatotra mafy ny fitiavana. « Tahaka izao ny hitranga eny an-toerana raha fehezina : ireo mpivady efa ela niarahana, hahita fiombonana hafakely. Ireo mpifankatia vao mifamofo, hivaivay ny fitiavan’izy ireo », hoy i Ny Eja.

    Marihina fa ankoatra ny tononkalo, namorona tononkira maro ihany koa i Ny Eja. Mpanakanto maro no mihira ny sanganasany. Anisan’ireny i Tovo j’Hay.

    HaRy Razafindrakoto

     

    Les commentaires sont fermées.